ATRIKASA IADIANA AMIN’NY ZAVA-MAHADOMELINA MANIMBA NY TANORA MALAGASY.

Notanterahana ny 29 aprily 2023, tao amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety narahina atrikasa mahakasika ny ady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina isan’izany ny « Rôrô », izay niarahana tamin’ny fikambanana Tanora maro samihafa.

Miantraika sy miparitaka eny anivon’ny fiaraha-monina indrindra eo amin’ny tanora izany amin’izao fotoana izao.

Manana andraikitra lehibe manoloana izany ny fikambanana rehetra misehatra amin’ny Tanora sy ireo andrim-panjakana hifarimbona hiady amin’izany hoy Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena nandritra ny lahateniny.

Ny asa vita mandritra ity atrik’asa ity dia ho entina eo anatrehan’ny Governemanta handinihana ny fomba hanatanterahana aingana sy hijerena ireo vahaolana manoloana izao zava-manjo ny Tanora Malagasy izao.

Nandritra izany dia nanazava sy nanao famelabelarana momba izany, Ramatoa RAJAONARISON Bertille Hortense, Profesora Neuropsychiatre ary mpampianatra eny amin’ny sampa-mpampianarana Médecine, izay nanazava ny fiantraikan’izany amin’ny fahasalamana, ara-tsosialy ary ny ara ekonomika.

Autre Articles

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA

Tonga nitsidika tamin'ny fomba am-panajana an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA ny solotenan'ny UNFPA miasa sy monina eto Madagasikara, Ramatoa Josiane Yaguibou, ny 26 jolay 2023. Voaresaka nandritra izany ny fanohanana hoentin'izy ireo mandritra ny JIJ 2023...

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY 2023

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY 2023

Ho fanomanana ny lalaon'ny Nosy dia nihaona tamin'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, ny 17 jolay 2023 ny Federasiona Malagasy ny taranja Football niaraka tamin'ireo ekipa teknika mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy sy ireo mpanazatra matihanina izay...