ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an’ny daholobe na ny « Athlétisme pour tous » izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin’ny sehatry ny hazakazaka sy ny taranja atletisma izy ity.

Ny tanjona tamin’izao hetsika izao dia ny fampiroboroboana ny taranja atletisma sy famporisihana ny tanora mpiangaly izany hiditra sy hanatevina anatin’ny klioba.

Tonga nanotrona izany ny Talen’ny Kabinetra eto anivon’ny Minisitera, Andriamatoa Haja RALAIKOTO, sy ireo Tale isan-tsokajiny izay nisolotena an’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA.

Naneho fankasitrahana ho an’ny Federasiona Malagasy ny taranja Atletisma sy ny mpikarakara  ary ny mpandray anjara rehetra ny tenany nandritra ny lahateniny ary nanamafy hatrany amin’ny fanohanan’ny Minisitera ny fanatanjahantena Malagasy.

Autre Articles

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA

Tonga nitsidika tamin'ny fomba am-panajana an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA ny solotenan'ny UNFPA miasa sy monina eto Madagasikara, Ramatoa Josiane Yaguibou, ny 26 jolay 2023. Voaresaka nandritra izany ny fanohanana hoentin'izy ireo mandritra ny JIJ 2023...

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY 2023

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY 2023

Ho fanomanana ny lalaon'ny Nosy dia nihaona tamin'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, ny 17 jolay 2023 ny Federasiona Malagasy ny taranja Football niaraka tamin'ireo ekipa teknika mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy sy ireo mpanazatra matihanina izay...