ASIEF: FIFIDIANANA FILOHA

Tontosa ny faha-28 janoary, tetsy amin’ny ANS Ampefiloha ny fifidianana izay filoha hitantana ny ASIEF.

Lany hitantana izany indray ny filoha teo aloha, Atoa ANDRIANARISON Jean Aimé, fantatrin’ny rehetra amin’ny anarana hoe John Love.

Mpifidy 89 tamin’ireo 122 voasoratra anarana no tonga nandatsa-bato omaly, ka vato 86 tamin’izany no azony.

Tonga nanatrika ity fifidianana ity, Atoa HARINIRINA Rajahonesa Brice talean’ny DSSD (Direction du Sport-Santé et Développement) eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, niaraka tamin’ireo ekipany.

Autre Articles

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA

Tonga nitsidika tamin'ny fomba am-panajana an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA ny solotenan'ny UNFPA miasa sy monina eto Madagasikara, Ramatoa Josiane Yaguibou, ny 26 jolay 2023. Voaresaka nandritra izany ny fanohanana hoentin'izy ireo mandritra ny JIJ 2023...

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY 2023

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY 2023

Ho fanomanana ny lalaon'ny Nosy dia nihaona tamin'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, ny 17 jolay 2023 ny Federasiona Malagasy ny taranja Football niaraka tamin'ireo ekipa teknika mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy sy ireo mpanazatra matihanina izay...