ASIEF 2021 : FANOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY FIFANINANANA ARA-PANATANJAHANTENA HO AN’NY MPIASAM-PANJAKANA

Nanomboka omaly 30 Octobra 2021, tamin’ny fomba ofisialy ny fifaninanana ara-panatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana na ny ASIEF 2021, izay atao ao Mahajanga mandritra ny 10 andro. Tonga nanome voninahitra izany ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Andriamatoa NTSAY Christian, izay notronon’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny.

Nandritra ny fandraisam-pitenenan’Adriamatoa Minisitra  MAMOD’ALI Hawel, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena no nisaorany ny Praiminisitra sy ireo solontena eo anivon’ny governemanta ary ireo manam-pahefana  nanotrona izao ASIEF 2021 izao. Nitondra fisaorana amin’ny ezaka izay ataon’ny fitondram-panjakana izay tarihin’Andriamatoa filoha Andry RAJOELINA izy amin’ny fampiroboroboana ny Fanatanjahantena amin’ny alalan’ireo fotodrafitrasa maro toy ny Kianja Barea Mahamasina izay efa vita tanteraka ary koa ireo kianja mitafo sy dobo filomanosana manarapenitra manerana ny Nosy.  Teo ankilan’izany ny fankasitrahana ireo mpiasam-panjakana izay tonga maro handray anjara amin’ny fifaninanana.Nambaran’ny Minisitra fa zava-dehibe ho an’ny fahasalaman’ny mpiasam-panjakana ny fifaninanana ASIEF satria dia voataiza ara-tsaina, ara-batana ary ara-panahy ny mpanao Fanatanjahantena.

Teo ampamaranana dia nisaotra ny mpikarakara ny ASIEF ny Minisitra, vonona hatrany hoy izy ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena hanohana izao hetsika izao ary nangataka izy ny hijerena manokana ireo mpiasam-panjakana manana fahasembanana sy ny renim-pianakaviana mba hafahan’izy ireo manao ny fifaninanana ihany koa.

Araka ny teny filamatra dia ny hoe Fahasalamana- Firaisan-kina ary Fahombiazana dia nanentana ihany koa izy ny hisian’ny fifanajana , ny fiaraha-mientana ary ny firaisankina mandritra ny  fifaninanana rehetra, ary ny hitohizan’izany hatrany amin’ny fanantanterahana ny asa izay nankinina tamin’ny tsirairay ho fampandrosoana ny firenena.

Taorian’ny ny lanonanam-panokafana dia nihazo ny kianja mitafo tao Mahajanga ireo manam-pahefana izay nanatanteraka lalao ara-pirahalahina ho entina hanamarihana ny fiatombohan’ny ASIEF 2021 amin’ny fomba ofisialy.

Autre Articles

FIVORIAMBE FAHA-41 NY UNESCO

FIVORIAMBE FAHA-41 NY UNESCO

Tao aorian'ny fihaonan'ny Tale Jeneraly lefitra misahana ny siansa sosialy sy ny maha olona sy ny Ministry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena dia niroso tamin'ny "séance plénière" ny fandaharam-potoanan'ny fivoriam-be faha 41 ny UNESCO. Koa anisany nandray anjara...

FIVORIAMBE FAHA-41 NY UNESCO :

FIVORIAMBE FAHA-41 NY UNESCO :

Fihaonana tamin'ny Tale Jeneraly lefitra Ny talata faha 23 novambra 2021, no nihaona tamin- dRamatoa Gabriela Ramos, Tale lefitra misahana ny siansa sosialy sy maha olona eo anivon'ny UNESCO ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena MAMOD'ALI Hawel. Nivoitra...

TSIPY KANETY BE : FIADIANA NY AMBOARA MANERAN-TANY 2021.

TSIPY KANETY BE : FIADIANA NY AMBOARA MANERAN-TANY 2021.

Tonga nanotrona ny ekipam-pirenena Malagasy izay mandray anjara amin'ny fiadiana ny amboara maneran-tany amin'ny taranja "Tsipy Kanety Be" izay atao ao Santa Sussana, Espana ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahatena, Atoa MAMOD'ALI Hawel sy ireo mpiara miasa aminy....