ASIEF 2021 : FANOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY FIFANINANANA ARA-PANATANJAHANTENA HO AN’NY MPIASAM-PANJAKANA

Nanomboka omaly 30 Octobra 2021, tamin’ny fomba ofisialy ny fifaninanana ara-panatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana na ny ASIEF 2021, izay atao ao Mahajanga mandritra ny 10 andro. Tonga nanome voninahitra izany ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Andriamatoa NTSAY Christian, izay notronon’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny.

Nandritra ny fandraisam-pitenenan’Adriamatoa Minisitra  MAMOD’ALI Hawel, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena no nisaorany ny Praiminisitra sy ireo solontena eo anivon’ny governemanta ary ireo manam-pahefana  nanotrona izao ASIEF 2021 izao. Nitondra fisaorana amin’ny ezaka izay ataon’ny fitondram-panjakana izay tarihin’Andriamatoa filoha Andry RAJOELINA izy amin’ny fampiroboroboana ny Fanatanjahantena amin’ny alalan’ireo fotodrafitrasa maro toy ny Kianja Barea Mahamasina izay efa vita tanteraka ary koa ireo kianja mitafo sy dobo filomanosana manarapenitra manerana ny Nosy.  Teo ankilan’izany ny fankasitrahana ireo mpiasam-panjakana izay tonga maro handray anjara amin’ny fifaninanana.Nambaran’ny Minisitra fa zava-dehibe ho an’ny fahasalaman’ny mpiasam-panjakana ny fifaninanana ASIEF satria dia voataiza ara-tsaina, ara-batana ary ara-panahy ny mpanao Fanatanjahantena.

Teo ampamaranana dia nisaotra ny mpikarakara ny ASIEF ny Minisitra, vonona hatrany hoy izy ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena hanohana izao hetsika izao ary nangataka izy ny hijerena manokana ireo mpiasam-panjakana manana fahasembanana sy ny renim-pianakaviana mba hafahan’izy ireo manao ny fifaninanana ihany koa.

Araka ny teny filamatra dia ny hoe Fahasalamana- Firaisan-kina ary Fahombiazana dia nanentana ihany koa izy ny hisian’ny fifanajana , ny fiaraha-mientana ary ny firaisankina mandritra ny  fifaninanana rehetra, ary ny hitohizan’izany hatrany amin’ny fanantanterahana ny asa izay nankinina tamin’ny tsirairay ho fampandrosoana ny firenena.

Taorian’ny ny lanonanam-panokafana dia nihazo ny kianja mitafo tao Mahajanga ireo manam-pahefana izay nanatanteraka lalao ara-pirahalahina ho entina hanamarihana ny fiatombohan’ny ASIEF 2021 amin’ny fomba ofisialy.

Autre Articles

FEDERASIONA MALAGASY NY TARANJA JUDO: FIFIDIANANA FILOHA

FEDERASIONA MALAGASY NY TARANJA JUDO: FIFIDIANANA FILOHA

Tontosa anio alatsinainy faha-27 desambra teny amin’ny foiben’ny komity olaimpika Malagasy teny Ivandry ny fifidianana izay ho filohan’ny federasiona Malagasy ny taranja judo. Nandritra ny fifidianana izay natao tamin’ny alalan’ny visio conférence dia voafidy ho...

FAMPIOFANANA IREO TANORA TAO MORONDAVA

FAMPIOFANANA IREO TANORA TAO MORONDAVA

Tontosa tao Morondava,ny hetsika lehibe ho fampiofanana sy famporisihina ho fampandraisana anjara bebe kokoa ny tanora amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, izay fiaraha miasa teo amin’ny DRJS sy ny DREDD MENABE. Ny Tale misahana ny fifanaraham-piaraha- miasa sy...