ASIEF 2021 : FANOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY FIFANINANANA ARA-PANATANJAHANTENA HO AN’NY MPIASAM-PANJAKANA

Nanomboka omaly 30 Octobra 2021, tamin’ny fomba ofisialy ny fifaninanana ara-panatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana na ny ASIEF 2021, izay atao ao Mahajanga mandritra ny 10 andro. Tonga nanome voninahitra izany ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Andriamatoa NTSAY Christian, izay notronon’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny.

Nandritra ny fandraisam-pitenenan’Adriamatoa Minisitra  MAMOD’ALI Hawel, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena no nisaorany ny Praiminisitra sy ireo solontena eo anivon’ny governemanta ary ireo manam-pahefana  nanotrona izao ASIEF 2021 izao. Nitondra fisaorana amin’ny ezaka izay ataon’ny fitondram-panjakana izay tarihin’Andriamatoa filoha Andry RAJOELINA izy amin’ny fampiroboroboana ny Fanatanjahantena amin’ny alalan’ireo fotodrafitrasa maro toy ny Kianja Barea Mahamasina izay efa vita tanteraka ary koa ireo kianja mitafo sy dobo filomanosana manarapenitra manerana ny Nosy.  Teo ankilan’izany ny fankasitrahana ireo mpiasam-panjakana izay tonga maro handray anjara amin’ny fifaninanana.Nambaran’ny Minisitra fa zava-dehibe ho an’ny fahasalaman’ny mpiasam-panjakana ny fifaninanana ASIEF satria dia voataiza ara-tsaina, ara-batana ary ara-panahy ny mpanao Fanatanjahantena.

Teo ampamaranana dia nisaotra ny mpikarakara ny ASIEF ny Minisitra, vonona hatrany hoy izy ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena hanohana izao hetsika izao ary nangataka izy ny hijerena manokana ireo mpiasam-panjakana manana fahasembanana sy ny renim-pianakaviana mba hafahan’izy ireo manao ny fifaninanana ihany koa.

Araka ny teny filamatra dia ny hoe Fahasalamana- Firaisan-kina ary Fahombiazana dia nanentana ihany koa izy ny hisian’ny fifanajana , ny fiaraha-mientana ary ny firaisankina mandritra ny  fifaninanana rehetra, ary ny hitohizan’izany hatrany amin’ny fanantanterahana ny asa izay nankinina tamin’ny tsirairay ho fampandrosoana ny firenena.

Taorian’ny ny lanonanam-panokafana dia nihazo ny kianja mitafo tao Mahajanga ireo manam-pahefana izay nanatanteraka lalao ara-pirahalahina ho entina hanamarihana ny fiatombohan’ny ASIEF 2021 amin’ny fomba ofisialy.

Autre Articles

ASIEF: FIFIDIANANA FILOHA

ASIEF: FIFIDIANANA FILOHA

Tontosa ny faha-28 janoary, tetsy amin’ny ANS Ampefiloha ny fifidianana izay filoha hitantana ny ASIEF. Lany hitantana izany indray ny filoha teo aloha, Atoa ANDRIANARISON Jean Aimé, fantatrin'ny rehetra amin'ny anarana hoe John Love. Mpifidy 89 tamin’ireo 122...

FANAMPIANA IREO TRA-BOINA NOHON’NY ANDRO RATSY

FANAMPIANA IREO TRA-BOINA NOHON’NY ANDRO RATSY

Ny faha-24 Janoary 2022 lasa teo dia tonga nitondra fanomezana ho an'ireo tra-boina vokatry ny haratsian'ny toetr'andro izay misy eto amintsika ny mpiara-miasa eo anivon'ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay notarihin'Atoa Minisitra MAMOD'ALI Hawel....

JEUX DES ÎLES 2023: TARANJA 23 NO HIFANINANANA

JEUX DES ÎLES 2023: TARANJA 23 NO HIFANINANANA

Fantatra ankehitriny ireo taranjam-panatanjahantena hifaninanana mandritra ny lalaon’ny nosy faha-11 izay hatao eto Madagasikara amin’ny taona 2023. Taranja 23 no voafidy amin'izany. - Athlétisme/Paralympique Athletisme (Lehilahy sy Vehivavy) - Badminton (L/V) -...

FANOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY FAMBOLEN-KAZO 2022

FANOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY FAMBOLEN-KAZO 2022

Tontosa soa aman-tsara ny fambolen-kazo tao Mahanoro. Tonga navitrika ny ekipan'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay notarihin'Atoa SOLOFONIAINA Michkael Reilly, Talen'ny Kabinetran'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay nisolotena...