ASIEF 2021 : FANOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY FIFANINANANA ARA-PANATANJAHANTENA HO AN’NY MPIASAM-PANJAKANA

Nanomboka omaly 30 Octobra 2021, tamin’ny fomba ofisialy ny fifaninanana ara-panatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana na ny ASIEF 2021, izay atao ao Mahajanga mandritra ny 10 andro. Tonga nanome voninahitra izany ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Andriamatoa NTSAY Christian, izay notronon’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny.

Nandritra ny fandraisam-pitenenan’Adriamatoa Minisitra  MAMOD’ALI Hawel, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena no nisaorany ny Praiminisitra sy ireo solontena eo anivon’ny governemanta ary ireo manam-pahefana  nanotrona izao ASIEF 2021 izao. Nitondra fisaorana amin’ny ezaka izay ataon’ny fitondram-panjakana izay tarihin’Andriamatoa filoha Andry RAJOELINA izy amin’ny fampiroboroboana ny Fanatanjahantena amin’ny alalan’ireo fotodrafitrasa maro toy ny Kianja Barea Mahamasina izay efa vita tanteraka ary koa ireo kianja mitafo sy dobo filomanosana manarapenitra manerana ny Nosy.  Teo ankilan’izany ny fankasitrahana ireo mpiasam-panjakana izay tonga maro handray anjara amin’ny fifaninanana.Nambaran’ny Minisitra fa zava-dehibe ho an’ny fahasalaman’ny mpiasam-panjakana ny fifaninanana ASIEF satria dia voataiza ara-tsaina, ara-batana ary ara-panahy ny mpanao Fanatanjahantena.

Teo ampamaranana dia nisaotra ny mpikarakara ny ASIEF ny Minisitra, vonona hatrany hoy izy ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena hanohana izao hetsika izao ary nangataka izy ny hijerena manokana ireo mpiasam-panjakana manana fahasembanana sy ny renim-pianakaviana mba hafahan’izy ireo manao ny fifaninanana ihany koa.

Araka ny teny filamatra dia ny hoe Fahasalamana- Firaisan-kina ary Fahombiazana dia nanentana ihany koa izy ny hisian’ny fifanajana , ny fiaraha-mientana ary ny firaisankina mandritra ny  fifaninanana rehetra, ary ny hitohizan’izany hatrany amin’ny fanantanterahana ny asa izay nankinina tamin’ny tsirairay ho fampandrosoana ny firenena.

Taorian’ny ny lanonanam-panokafana dia nihazo ny kianja mitafo tao Mahajanga ireo manam-pahefana izay nanatanteraka lalao ara-pirahalahina ho entina hanamarihana ny fiatombohan’ny ASIEF 2021 amin’ny fomba ofisialy.

Autre Articles

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BOXE

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BOXE

Medaly volamena1 ary medaly volafotsy 1 no azon'ny Malagasy teo amin'ny taranja boxe mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11. Nanatrika sy nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sady Minisitra mpiahay...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL 3×3

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL 3×3

Medaly volamena avokoa no azony Malagasy eo amin'ny sokajy lahy sy vavy eo amin'ny taranja Basketball 3×3 mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11. Nanatrika ny lanonana fanolorana medaly ho an'ireo Atleta ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa...

LALAON’NY NOSY:« VOLET JEUNESSE »

LALAON’NY NOSY:« VOLET JEUNESSE »

Tontosa ny 27 aogositra 2023 tetsy amin'ny Arena Ivandry ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny seho an-tsehatry ny tanora (dihy sy hira) na ny "Volet Jeunesse" amin'ity Lalaon'ny Nosy andiany faha 11 ity. Ny « Volet Jeunesse » dia voasokajy ho taranja iray anatin’ny...

LALAON’NY NOSY: FANOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY

LALAON’NY NOSY: FANOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY

Tontosa ny 25 aogositra 2023 tao amin'ny kianja Barea Mahamasina ny lanonana fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11, izay atao eto Madagasikara ny 25 aogositra hatramin'ny 3 septambra 2023 izao. Firenena miisa 7 eto anivon'ny Ranomasimbe...

LALAON’NY NOSY 2023: FAMPITAOVANA IREO ATLETA MALAGASY

LALAON’NY NOSY 2023: FAMPITAOVANA IREO ATLETA MALAGASY

Notanterahana ny 23 Aogositra 2023 tao amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny fanolorana fitaovana ara-panatanjahantena avy amin'ny fitondram-panjakana sy fitsofan-drano ireo atleta Malagasy hiatrika ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11. Tonga nitarika izany ny...

FOOTBALL: FAMARANANA NY FIADIANA NY AMBOARAN’NY FILOHA

FOOTBALL: FAMARANANA NY FIADIANA NY AMBOARAN’NY FILOHA

Notanterahana ny 20 Aogositra 2023, teo amin'ny kianja BAREA Mahamasina ny lalao famaranana ny fiadiana ny amboaran'ny Filoha eo amin'ny taranja baolina kitra.   ANTANANARIVO 1 Vs 0 TOAMASINA   Miarahaba ny ekipan'i Antananarivo izay voahosotra tompondaka...