ANOSIBE AN’ALA – EPP VOHIBOLA MANDRAY ANDRAIKITRA HO FANARENANA NY EFITRANO SIMBAN’NY RIVODOZA « ANA » NY MINISTRA COAH

Potika vokatry ny rivo-doza ANA ny efitrano fianarana iray eto amin’ny EPP Vohibola, ZAP Anosibe an’ala. Izay no hita maso ao anatin’ny fidinan’ny Ministra Coach  » ny Faritra Alaotra Mangoro, Ramatoa Juliana RATOVOSON, no sady Minisitra Lefitra misahana ny Tanora. .
Avy hatrany dia nanome ny vola ilaina hanamboarana farany izay haingana ity efitrano ity araka ny vinam-pandaniana natolotry ny Talen-tsekoly, Ramatoa Ministra lefitra.
Nitondra fankasitrahana ho an’Andriamatoa Filoha Andry Rajoelina sy ny Minisitra « Coach  » ny mponina eto amin’ity fokontany Vohibola ity.
Zoma 18 Febroary 2022
© VMJ Feb 2022

Autre Articles

FAMBOLEN-KAZO ANTSAHADINTA 2022

FAMBOLEN-KAZO ANTSAHADINTA 2022

Fikambanana maro no niara-dia tamin-dRamatoa Ministra Lefitra misahana ny Tanora androany Sabotsy 12 Febroary 2022. Zanakazo maro no novolena nandritr’izany ; ary hita tamin’ireo tanora ny fahavitrihana satria dia tanora iray nahavita nanatsatoka zanakazo 10 avy. Ny...