ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY FANDRIAMPAHALEMANA

Ny 21 septambra 2022 no andro natokana hanamafisana ireo foto-kevitra manodidina ny fandriam-pahalemana sy ny tsy fanaovana herisetra izay notanterahana tetsy amin’ny Maison commune des Nations Unies, Andraharo.

« Manorina fandriam-pahalemana, manafoana ny fanavakavaham-bolon-koditra », io no lohahevitra entina ankalazaina ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fandriam-pahalemana amin’ity taona ity.

Tonga nanome voninahitra izany fotoana izany, Ramatoa Tsikitsiky RAZANAMASY, Tale Jeneraly misahana ny Tanora izay nisolotena ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Ho fanamarihana izany fankalazana izany dia manome fotoana ny rehetra ny « Fonds des Nations Unies pour la consolidation de la paix » sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy hanatrika ny fanombohana ofisialy ny andiany faha-2 amin’ny Hack4Peace.

Ny Hack4Peace dia tetikasa ho famporisihana ny tanora amin’ny fitandroana ny fandriam-pahalemana sy ny fampandrosoana maharitra mifandraika amin’ity lohahevitra ity.

Manentana ireo tanora rehetra tia famoronana, izay fototry ny fanovana haneho hevitra ho fananganana ny tena fandriam-pahalemana maharitra.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.