ANDRO FAHAROA AN’NY FORUM HUMANITAIRE DE LA JEUNESSE AFRICAINE

Niompana kokoa tamin’ny fijerena ireo teknika sy ny fametrahana drafitra mamokatra hoentin’ny tanora miatrika fidinana ifotony sy famahana olana ara-piaraha-monina manoloana ireo hetsika tiana ho atao ity andro faharoa ity.

Nisy ny asam-bondrona natao namoahana tsoa-kevitra samihafa toy ny fiomanana amin’ny fanamafisana traikefa ireo tanora mba hampifandraisana azy ireo sy ihatrehana ny loza voajanahary mety hitranga.

Tonga mandray anjara ao anatin’izany ireo solotena isan-tsokajiny avy eto amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Autre Articles

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA

Tonga nitsidika tamin'ny fomba am-panajana an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA ny solotenan'ny UNFPA miasa sy monina eto Madagasikara, Ramatoa Josiane Yaguibou, ny 26 jolay 2023. Voaresaka nandritra izany ny fanohanana hoentin'izy ireo mandritra ny JIJ 2023...

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY 2023

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY 2023

Ho fanomanana ny lalaon'ny Nosy dia nihaona tamin'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, ny 17 jolay 2023 ny Federasiona Malagasy ny taranja Football niaraka tamin'ireo ekipa teknika mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy sy ireo mpanazatra matihanina izay...