ÀNDRAHARO – AMBODIMITA – AMBOHIBAO TOLO-TANANA HOAN’IREO TRABOINA

👍Na ny orana na ny andro alina dia tsy nahasakana ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo izay notarihan-dRamatoa Juliana Ratovoson, Minisitra Lefitra misahana ny Tanora sy ireo mpiara-miasa aminy. Nanatontosa ny fanampiana sy fanomezan-tanana ho an’ireo traboina izay hita fa tena ao anaty fahasahiranana tanteraka izy ireo tamin’ny fokontany telo.
❤️Tsy nahazaka nijery ny fahorian’ireto zaza sy ankizy izay miaritra ny hatsiaka any anaty toby fiangonan’ireo traboina Ramatoa Minisitra lefitra amin’ny maha renim-pianakaviana azy ka tonga nizara fitafiana mafana sy lamba firakotra ho azy ireo.
©️VMJ Janv 2022

Autre Articles

FAMBOLEN-KAZO ANTSAHADINTA 2022

FAMBOLEN-KAZO ANTSAHADINTA 2022

Fikambanana maro no niara-dia tamin-dRamatoa Ministra Lefitra misahana ny Tanora androany Sabotsy 12 Febroary 2022. Zanakazo maro no novolena nandritr’izany ; ary hita tamin’ireo tanora ny fahavitrihana satria dia tanora iray nahavita nanatsatoka zanakazo 10 avy. Ny...