AFROBASKET U18 Vehivavy : FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY

Tao amin’ny Kianja mitafo Vatofotsy Antsirabe no nanatanterahana ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja Basketball U18 sokajy zazavavy, ny 06 aogositra 2022.

Tonga nanome voninahitra ary nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto nandritra ity lalonana ity ireo mpiara miasa eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay notarihin-dRamatoa Rosa RAKOTOZAFY, Tale Jeneralin’ny Fanatanjahatena.

Manga ny lanitra eo amin’ny FIBA ​​​​Afrika sy Madagasikara ary mipetraka tanteraka ny fifampitokisana, manaporofo izany ny fisian’ity Afrobasket ity aty amintsika taorian’ireo 5 voalohany.

Nampita ny teny firariantsoa ho an’ny delegasiona rehetra ihany koa ny tenany ary indrindra ho an’ireo ekipa nasionaly ANKOAY vehivavy.

Tombony eo amin’ny fanomanana amin’ny lafiny rehetra amin’ny fandraisantsika ny lalaon’ny Nosy afaka fotoana fohy ny fampiantranoan-tsika ity hetsika ara-panatanjahantena lehibe ity . Indrindra indrindra ny fanomezana sehatra ny Faritra hampiantrano toy izao ataontsika aty amin’ny faritra Vakinakaratra aty izao.

Izany koa dia manaporofo ny maha zavadehibe ny fametrahana foto-drafitrasa manara-penitra any amin’ny distrika sy faritra izay efa ataon’ny fitondram-panjakana ankehitriny hahafahan’izy ireo misitraka fampiantranoana lalao iraisam-pirenena toy izao.

Autre Articles

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BOXE

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BOXE

Medaly volamena1 ary medaly volafotsy 1 no azon'ny Malagasy teo amin'ny taranja boxe mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11. Nanatrika sy nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sady Minisitra mpiahay...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL 3×3

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL 3×3

Medaly volamena avokoa no azony Malagasy eo amin'ny sokajy lahy sy vavy eo amin'ny taranja Basketball 3×3 mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11. Nanatrika ny lanonana fanolorana medaly ho an'ireo Atleta ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa...

LALAON’NY NOSY:« VOLET JEUNESSE »

LALAON’NY NOSY:« VOLET JEUNESSE »

Tontosa ny 27 aogositra 2023 tetsy amin'ny Arena Ivandry ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny seho an-tsehatry ny tanora (dihy sy hira) na ny "Volet Jeunesse" amin'ity Lalaon'ny Nosy andiany faha 11 ity. Ny « Volet Jeunesse » dia voasokajy ho taranja iray anatin’ny...

LALAON’NY NOSY: FANOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY

LALAON’NY NOSY: FANOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY

Tontosa ny 25 aogositra 2023 tao amin'ny kianja Barea Mahamasina ny lanonana fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11, izay atao eto Madagasikara ny 25 aogositra hatramin'ny 3 septambra 2023 izao. Firenena miisa 7 eto anivon'ny Ranomasimbe...

LALAON’NY NOSY 2023: FAMPITAOVANA IREO ATLETA MALAGASY

LALAON’NY NOSY 2023: FAMPITAOVANA IREO ATLETA MALAGASY

Notanterahana ny 23 Aogositra 2023 tao amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny fanolorana fitaovana ara-panatanjahantena avy amin'ny fitondram-panjakana sy fitsofan-drano ireo atleta Malagasy hiatrika ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11. Tonga nitarika izany ny...

FOOTBALL: FAMARANANA NY FIADIANA NY AMBOARAN’NY FILOHA

FOOTBALL: FAMARANANA NY FIADIANA NY AMBOARAN’NY FILOHA

Notanterahana ny 20 Aogositra 2023, teo amin'ny kianja BAREA Mahamasina ny lalao famaranana ny fiadiana ny amboaran'ny Filoha eo amin'ny taranja baolina kitra.   ANTANANARIVO 1 Vs 0 TOAMASINA   Miarahaba ny ekipan'i Antananarivo izay voahosotra tompondaka...