ACADEMIE NATIONALE DES SPORTS – GENDARMERIE NATIONALE : FAMOAHANA ARA-POMBA OFISIALY IREO MPIOFANANA MPANABE ARA-PANATANJAHANTENA

Notanterahina ny 30 septambra 2022 tao amin’ny Academie Nationale des Sports Ampefiloha ny famoahana ara-pomba ofisialy ireo mpanabe ara-panatanjahantena teo anivon’ny « Gendarmerie » izay miisa fito ambin-roa polo (27).

Notolorana ny « Certificat de spécialité CS1-CS2 sport » izy ireo rehefa avy nanaraka fiofanana nandritra ny efa-bolana (4). Nanomboka ny 16 May ka hatramin’ny 12 Septambra 2022 lasa teo no nanatanterahana izany.

Ny tanjon’ny fiofanana dia ny ahafahan’izy ireo hitarika « activité physique, éducation physique et sportive » ary hampiroborobo ny fampiarana fanatanjahantena eny anivon’ny « Unité d’affectation ».

Tonga nanome voninahitra izany lanonana izany, nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, ny Sekretera Jeneraly eto anivon’ny Minisitera, Andriamatoa RALAIVAO Lovatiako.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.