FANOLORANA FANKASITRAHANA TAMIN’NY LALAON’NY NOSY

Isan’ireo nandray anjara sy nanampy betsaka nandritra ny Lalaon’ny Nosy ny teo anivon’ny “Force de Défense et de Sécurité” izay niarahan’ny Tafika sy Zandarimariam-pirenena ary Polisim-pirenena mahakasika ny filaminana. Nisitraka fankasitrahana sy fisaorana izy ireo ka notolorana ny “Médaille de participation” ny faha 12 septambra 2023 tao amin’ny kianja Barea Mahamasina.

Tonga nanolotra izany ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sady Filohan’ny Komity mpikarakara ny Lalaon’ny Nosy niaraka tamin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena,ny Jeneraly GELLÉ Serge sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto anivon’ny Minisitera.