
Tao aorian’ny fandresana nahazoan’ny Barea ny medaly volamena tamin’ny Lalaon’ny Nosy andiany faha 11 izay notanterahana teto Madagasikara dia nandray ny “Médaille de participation sy Prime spéciale” toy ny Atleta rehetra ihany koa izy ireo ny faha 12 septambra 2023 tao amin’ny kianja Barea Mahamasina.
Tonga nanolotra izany ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sady Filohan’ny Komity mpikarakara ny Lalaon’ny Nosy niaraka tamin’ny Minisitra mpiahy ny taranja Baolina kitra sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto anivon’ny Minisitera.