
Isan’ireo mpanentana eo amin’ny lafin’ny ara-panatanjahantena eny amin’ny Kianja rehetra i “RONALDO” nandritra ny Lalaon’ny Nosy andiany faha 11 izay notanterahana teto Madagasikara.
Nojerena manokana ny momba azy ary tsy navelan’ny fitondram-panjakana irery ka notoloran’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihan’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, “Médaille de participation sy Prime spéciale” toy ireo atleta rehetra ny tenany, ny 5 septambra 2023 tao Ambohijatovo.
« Fandresena anaty firaisan-kina sy fahasamihafana »
« Ensemble pour une victoire dans l’unité et la diversité »