
Tao aorian’ny vokatra tsara azo nandritra ny Lalaon’ny Nosy andiany faha 11 izay notanterahana teto Madagasikara dia noraisin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy ny Ramatoa vadiny tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ireo Atleta Malagasy ny faha 4 septambra 2023.
Mendri-piderana ny vokatra azon’ireo Atleta. Nandritra izany no nanolorana ny mari-pankasitrahana “Prime spéciale” ho azy ireo sy ireo mpanazatra izay nitondra avo ny voninahim-pirenena nandritra ny Lalaon’ny Nosy ity.
5 tapitrisa ariary isaky ny medaly norombahany no azon’ireo nahazo medaly volamena, 3 tapitrisa ariary isaky ny medaly ho an’ireo medaly volafotsy ary 2 tapitrisa ariary isaky ny medaly ho an’ny medaly alimo. Namaly ny fangatahan’ireo atleta ihany koa ny Filoham-pirenena ny hametrahana sata manokana mifehy ireo mpanao fanatanjahantena matihanina mba hahafahan’izy ireo mifantoka bebe kokoa amin’ny taranja hikatrohan’izy ireo.
Nanohana ara-moraly, ara-tsosialy, ara-materialy sy ara-bola ary nijery manokana ny lafin’ny maha olona ny fitondram-panjakana ka naneho fa manohana azy ireo mandrakariva amin’ny alalan’ny fanatanjahantena ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
« Fandresena anaty firaisan-kina sy fahasamihafana »
« Ensemble pour une victoire dans l’unité et la diversité »