Daily Archives: 16 juillet 2021

LALAO NY FRANKOFONIA ANDIANY FAHA 9: FIVORIANA VIRTOALY

Notanterahin’ny Komity mpikarakara ny lalao ny frankofonia androany 15 Jolay 2021 ny fivoriana virtoaly voalohany nanomezana fanazavana mahakasika ny fanomanana ny lalao sy ny fomba fandraisana anjara eo amin’ny taranja ara-panatanjahantena izay nanasana ny  » responsable du dossier national » sy ny tompon’andraikitry ny « dossier sport » izay ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena, Ramatoa RAKOTOZAFY Rosa sy ny lehiben’ny servisy miandraikitra ny lalao iraisam-pirenena, Andriamatoa Aina Andriterakandriana no tompon’andraikitra voalohany amin’izany, natrehin’ireo Tale misahana ny Fanatanjahantena eo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahantena.