Daily Archives: 6 juillet 2021

ANTSIRANANA:FANOLORANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY IREO FITAOVANA HO AN’NY TRANOBEN’NY TANORA.

Nandritra ny fidinana ifotony izay nataon’ Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena TINOKA Roberto tao amin’ny renivohi-paritra DIANA dia tontosa ny alatsinainy 5 Jolay 2021 ny fanolorana « Dortoir » misy fandriana 18 ho an’ny Tranoben’ny Tanora ao Diego. Raha tsiahivina dia vao ny volana martsa lasa teo ity tranoben’ny Tanora ity no nandray fampitaovana informatika sy nohavaozina amin’ny endriny kanto ho mendrika ho an’ny tanora. Izany no tanteraka dia noho ny fifamatoram-piarahamiasa eo amin’ny Ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahantena sy ny UNFPA.