Daily Archives: 2 juin 2021

AMA- ACNOA : FIVORIANA AMPITAIN-DAVITRA MOMBA NY RESAKA ADY ATAO AMIN’NY  » DOPAGE » HO AN’IREO ATLETA AFRIKIANINA HANDRAY ANJARA AMIN’NY LALAO OLAIMPIKA AN’I TOKYO 2020

Ao anatin’ny fanatanterahana ny paikady vaovao izay mitondra ny lohahevitra hoe « Mitarika ny ady atao amin’ny fampiasana fanafody mampatanjaka anaty vanim-potoana vaovao », dia nisy fivoriana ampitain-davitra anio 01 jona 2021 izay mahakasika ireo mpanao fanatanjahantena afrikanina, indrindra ireo handray anjara amin’ny lalao olaimpika 2020 any Tokyo. Ny Birao Afrikanina eo anivon’ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny ady atao amin’ny dopage sy ny Fikambanan’ny Komity Olaimpika nasionaly (ACNOA) no nanatanteraka izany ary voaasa hanatrika sy hitondra sosokevitra ny Ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahan-tena.