Monthly Archives: juin 2021

FARADOFAY: FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY U-REPORT MADAGASIKARA

Tontosa anio 24 Jona 2021 tao amin’ny Tranoben’ny Tanora « Lanirano » Faradofay ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny « U-REPORT MADAGASIKARA » izay nanasana ny tanora avy ao amin’ny Faritra Anôsy ary notronin’ireo manam-pahefana sy mpiara-miombona antoka amin’ny Ministera.

MORONDAVA: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA VAOVAO.

Tonga nidina ifotony nijery ny fandroson’ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao Morondava ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto androany 24 Jona 2021.

COMESA: FIVORIAN’IREO MINISITRA MISAHANA NY TANORA ETO AFRIKA.

Notanterahina anio 22 jona 2021 ny fivoriana ampitain-davitra voalohany ho an’ireo Minisitra misahana ny Tanora mpikambana ao anatin’ny COMESA (Common Market for Eastern and Southern Africa). Marihina fa ity fivoriana ity dia tohin’ilay fivoriana izay notontosain’ireo teknisiana ambony misahana ny Tanora natao ny 14 jona ka hatramin’ny 16 jona 2021.

FAMARANANA NY FIVORIANA MAHAKASIKA NY FIAROVANA SY FANOMEZAN-DANJA NY LALAO SY NY FANATANJAHANTENA NENTIM-PAHARAZANA ATY AFRIKA

Nifarana anio 17 Jona 2021 ny fivoriana ampitain-davitra izay notarihin’ny African Traditional Sports and Games Confederation (ATSGC) sy ny UNESCO nandritra ny 3 andro izay nitondran’ireo teknisiana ambony momba ny fanatanjahantena manerana an’i Afrika soso-kevitra sy vina fampandrosoana entina hampiroboroboana ny fanatanjahantena sy ny lalao netim-paharazana aty Afrika.