Monthly Archives: avril 2021

FANATANJAHANTENA: FIHAONAMBE IRAISAM-PIRENENA VIRTOALY SPORT4IMPACT FAHA 2 – « FIANTRAIKAN’NY FANATANJAHANTENA EO AMIN’NY FIARAHAMONINA ».

Notanterahina ny faha-23 ny volana Aprily 2021 ny fivoriambe iraisam-pirenena virtoaly momba ny fanatanjahantena ho an’ny fampandrosoana izay nifantoka tamin’ny lohahevitra  » Fiantraikan’ny fanatanjahantena amin’ny lafiny ara-tsosialy. »

Amin’ny maha Filohan’ny CIGEPS azy no nandraisan-dRamatoa Rosa RAKOTOZAFY izay sady Tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahantena eo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahantena anjara. Nandritra ny fandraisam-pitenenany no nanasongadinany ny fifandraisana misy eo amin’ny Fanatanjahantena sy ireo tanjona eo amin’ny fampandrosoana maharitra na ODD.

FANATANJAHANTENA : FIVORIANA VIRTOALY MOMBA NY FANAMBY AMIN’NY TSY FANILIHANA NY ANKIZY MANANA FAHASEMBANANA ETO AFRIKA

Amin’ny maha filohan’ny komity iraisam-pirenena eo anivon’ny UNESCO momba ny fanabeazana ara-batana sy fanatanjahantena (CIGEPS) azy, Ramatoa RAKOTOZAFY Rosa, Tale jeneralin’ny Fanatanjahantena eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy Fanatanjahantena dia nandray anjara tamin’ny fihaonana virtoaly momba ny fanamby eo amin’ny tsy fanilihana ny ankizy miaina anaty fahasembanana izay natao niaraka tamin’ny Unesco ny Alakamisy faha- 22 aprily.

ATRIKASA FANOMANANA NY FAMOAHANA NY U-REPORT MADAGASIKARA. FAMARANANA NY ATRIKASA MAHAKASIKA NY U-REPORT MADAGASIKARA.

Nifarana androany 21 aprily 2021 ny atrikasa namolavolana ny tondrozotra mahakasika ny U-Report Madagasikara sy ny fanomanana mialoha ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ity tetikasa ity. Naharitra roa andro ny atrikasa izay notanterahina tao amin’ny Carlton Anosy.

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena no nitarika ny fivoriana izay niarahany tamin’ny Unicef Madagasikara.

ATRIKASA FANOMANANA NY FAMOAHANA NY U-REPORT MADAGASIKARA.

Nanomboka anio ary hifarana ny 21 aprily 2021 izao ao amin’ny Carlton Anosy  ny atrikasa mikasika ny  U-Report eto Madagasikara izay karakarain’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena tohanan’ny UNICEF Madagasikara amin’ny alàlan’ny sampana « Communication for Development « (C4D) .