Daily Archives: 3 mars 2021

« AFP SMART » niarahana tamin’ny HP+/USAID

Ao anatin’ny fampiroboroboana ny fandrindram-piterahana eto Madagasikara dia nisy atrikasa fanofanana tompon’andraikitra sy teknisianina hisahana manokana momba ny fandrindram-piterahana araka ny fomba fiasa « AFP SMART » notanterahina tetsy amin’ny hotely lehibe Carlton etsy anosy ny 24 hatramin’ny 26 febroary 2021 lasa teo. Atrikasa niarahana tamin’ny Health Policy Plus, fandaharan’asa izay nahazoana famatsiam-bola avy tamin’ny USAID.