Daily Archives: 1 mars 2021

CONFEJES : FANOKAFANA SY FAMARANANA NY FIVORIANA FAHA 38

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 26 febroary 2021 teo ny fivoriana faha-38 iraisan’ireo minisitra mpikambana ao anatin’ny CONFEJES. Io fihaonana io dia napetraka teo ambany fiahian’Andriamatoa Roch Marc KABORE, filoham-pirenena Burkina Faso.

Tonga nanome voninahitra izany fotoam-panokafana izany moa ny Praiminisitra lehiben’ny Governemantan’ny firenena Burkina Faso.

Nisolotena an’Andriamatoa TINOKA Roberto, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena tamin’izany fivoriana izany, Ramatoa Tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahantena Rosa RAKOTOZAFY, fivoriana izay notanterahina tamin’ny alalan’ny « visioconférence ».