Fitsenana ireo fampitaovana ilaina entina ihatrehana ny Covid19 ho an’ny Faritra Atsimo-Andrefana

Ady atao amin’ny Covid-19:

Naparitaka manarenan’i Nosy ny fampitaovana ilaina rehetra Concentrateurs d’oxygène miisa 112 sy fanafody maro isan-karazany no natolotry ny fitondram-panjakana foibe ho an’ny Faritra Atsimo-Andrefana.Tonga nitsena izany teny amin’ny seranam-piaramanidin’i Toliara ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena no sady Minisitra mpiahy ny Faritanin’i Toliara, Atoa TINOKA Roberto,anio 16/08/20 notronin’ireo olom-boafidy sy manampahefana aty an-toerana. Tsara ho fantatra fa ho entina hanatevenana ny ady atao amin’ny fihanaky ny Coronavirus ireo fitaovana tonga ireo.